<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>23</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary
 Be fitiavana, mamonjy sy mamelona
 Vatolampy, toky tsy mifindra
 Fa maharitra mandrakizay

[C1]
   Raha ny eto an-tany
   Dia mandalo ihany
   Miovaova
   Tsy azo ianteherana
   Be no efa voa
   Ka mamoy fo
   Fa izany
   No fomban'ny tany
   Toa fiainana raha jerena
   Kanjo indrisy fa mahonena
   Hasambarana miserana ihany

[V2]
 0! ry velona tsarovy ny andronao
 Fa mandalo tsy mba manam-pijanonana
 Ka tandremo sao variana ianao
 'Zao tontolo izao ho levona avokoa
 Raha ny eto an-tany, sns...

[V3]
 Mbola ho entin'Andriamanitra hotsaraina
 'Zaho sy ianao, ka tsy ho afa-maina
 Fa Jesoa Mpanjaka no hitsara
 Ka hanavaka ny tsara sy ny ratsy
 Raha ny eto an-tany, sns...</lyrics>
<title>Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary (A.T.Z.) FF23</title>
</song>